• Narrow screen resolution
  • Wide screen resolution
Vous êtes ici : HOME arrow TRIBUNES arrow Taratasin'ny mpamaky
Taratasin'ny mpamaky Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
(3 votes)
Écrit par M. Solo   
22-06-2007

Taratasin’ny mpamaky : Iza no manana tombotsoa kokoa amin’iny dorotrano tao Fianarantsoa iny ?

Réflexions et analyses proposées par M. Solo d'Antananarivo.

Faly miarahaba anareo rehetra e.

Nataoko ity famakafakana ity hakanareo hevitra manoloana ny fakana ambavany na fisamborana an’ny vadin ‘ Ingahy Pety (samy hafa moa ny nilazana azy tamin‘ireo gazety) Famakafakana ihany ny ahy ; nefa zaho mandinika fa misy marina ampahany betsaka lay izy.

Lazaina eto ampiandohana aloha fa olon-tsotra ny tenako avy eto afovoantany, merina, tsy sanatria Arema na ao anatina-fikambanana politika mpanohitra. M. Solo no anarako. Saika hilaza ny hevitro mihintsy zaho mikasika lay raharaha fandoroana ny amphithéâtre tao Fianarantsoa iny ary efa azo antsaina mialoha fa ny olon’ Ingahy Pety no tsy maintsy samborinin’ny fanjakana ; Araho ny famakafakana Raha resaka dorotrano zany dia misy tantarany ny teto amintsika ; fantatra ohatra ny nandoro ny hotel de ville teto andrenivohitra saingy toa vitavita ho azy ireny satria tao anaty tolona no nisehoany ; ny momban’ny Rova moa dia io tsy misy tohiny io ; lay tany Fianarantsoa dia mipetraka ny fanontaniana hoe dia tena ny mpanohitra ve no nanao an ‘iny sa ny hafa ?

Ny antony de zao : iza no manana tombotsoa kokoa amin’iny dorotrano tao Fianarantsoa iny ? Dia tena hanatsara endrika ny mpanohitra ve raha izy no nanao an ‘iny satria ny zanany ihany ( Tambatra fianarantsoa ) no mianatra ao anie ; sa ny aty amin’ny fitondrana zay tsy mahita antony hidinanana tany Fianarantsoa raha tsy milaza fampanantenana ( promesse) lava zao toy ny hoe : ho vitaintsika tsaratsara noho lay teo aloha io may io e sns... ; zany hoe azo heverina mety natao hakana ny fon’ny vahoaka fotsiny iny dorotrano iny ; mety ho toy ilay tsenan ‘anosibe nisy nandoro koa iny zay tsy fantatra hatramin’ zao ny tena atidohany ; eo no mahalasa fisainana satria tsy hitan’ny fanjakana na ny marina kokoa tsy hitan’ny mpomban’ny fitondrana zay hakana ny fon’ny Fianarantsoa dia mety nisy olona notambazany hanao ireny dorotrano ireny ; tsy hoe ny filohan’ny repoblika akory na praiministra na minisitry ny fampianarana no mety nanao an zany fa mety ho olon’ny Tim any ambadika tsy fantatra any ihany (ndao atao hoe mety ho manana toetra jiolahimboto vonjimaika angaha : miala tsiny amin’ny fitenenana) ; mety ho olo-madinika na olo-vaventy lay izy nefa misaina be satria tetika entina hambaboana ny vahoakan’ ny Fianarantsoa lay izy zay vahoaka efa somary nirona tamin’ny mpanohitra ihany satria tamin’ny referandaoma teo dia ny TSIA raha tsy diso no naharesy na nahazo vato betsaka tao Fianarantsoa ville ; teo koa ny firaiketam-pon’ny vahoaka amin’ny finoana KATOLIKA tamin’ny raharaha mopera URFER zay nahamaimbo ny fitondrana iny ; ny mety sisa azon’ny fanjakana hatao izany dia ny maka ny fon’ny tanora mpianatra indrindra fa ho avy ny fifidianana ato ho ato ; mety azo atao anie ny maka olona ampitenenina hoe i ranona sy ranona no naniraka anay rehefa mamaivay toy zao ny raharaham-pirenena ka hamoronana dossier handetehina « adversaire ».

Efa nisy teto amintsika izany taloha ary mitohy hatramin zao : teo ny fanapotehana an-dry Voninahitsy , Pety mivady sy ny rahalahiny ; ny jeneraly Fidy ; ny senatera Robert Razaka sy Benaria ary raha raha miditra lalina koa ny vadin’ingahy Roland Ratsiraka sy ry Vaovao benjamin, Zafy Albert sns…dia mety ho an’ny amponja daholo koa ny hiafaran ‘ izy ireny. Na dia ho afaka aza ny vadin ingahy Pety dia efa azo lazaina fa efa tratra ny tanjon’ny mpitondra nanao zay haharatsy endrika azy teo anatrehan reo gasy mpino avy hatrany zay lazain‘ny haino aman-jerin’ny fitondrana (amin’ny ankapobeny dia ny ety afovoantany misy ny filoha sy ny any ambanivohitra any no isehoan'zany). Zany akory tsy midika hoe tsy misy mahery fihetsika any amin-dry zareo mpanohitra ; misy dia misy koa any ny mihoapefy toy ny mety fanelezana trakta manavakavaka fiaviana tsindraindray ary tsy voatery ho ry zareo koa anefa no manao an’ireny satria mety tetika famonoana afo avy aty amin’ny fitondrana ihany ireny, satria vao maika tia ny fitondran-dRavalomanana ny Merina maheno ireny trakta ireny.

Ny gazety LA GRANDE ILE raha nanao famakafakana andro vitsivitsy lasa izay dia nilaza hoe fa maninona no foko merina sisa no saika atokisan ‘ingahy Ravalomanana mitantana ny andrim-panjakana (PM, senat, HCC) sy ny minisitera maro (tsy sanatria fampiadiana foko no ilazana izany fa zava-misy marina zany), voalaza fa toa vitsy : 6 na 7 no mba minisitra avy ny amin’ny faritany , ny antony iray azo lazaina dia tsapa fa vitsy sisa ireo manam-pahaizana na olobe atokisan’ zao fitondrana izao fa saika na izy voagadra na izy mangina ; hany heriny dia « manjono » na manambitamby ny tanora any amin’ny faritany sisa ny fanjakana mba hampisehoany fa toa vitan ‘izy reo samy irery ny fitarihana ny fampandrosoana an’ i madagasikara ka tsy dia mila olona avy any amin’ny faritany loatra ; ary dia mody tambatambazana amin’ny fanomezana sekoly vaovao na amboarina na lalao kids games jeux des îles zay fandaniambola tsy mitondra vokatsoa ho an’ny firenena ) ; zany hoe atao zay mba hanadinoan’ ireo vahoaka any amin’ny faritany ny mpitarika politika azy ireo zay gadraina na mbola any atsesitany ; tena politika sadasada avo lenta lay izy e.

Fa maninona ny « intellectuels » rehetra na ny avara-pianarana no mangina manolona zao fanapotehana mpanohitra izao ? satria ve lazaina ho mpomba an-dratsiraka izay milaza fanoherana ? Ny mpanao gazety koa dia vitsy sisa no sahy mamosaka hevitra somary manohitra fa saika matahotra avokoa nefa hita miharihary zao fa misy tetika fanapotehan’ny mpanohitra amin’ny fomba ankolaka sy mivantana amin’zao fotoana izao ; ny ben’ny tanànan ‘ny Mahajanga mody nahataka nefa toa miasa ihany, nefa voaporofon’ny inspecteur d Etat nanao tsy nety tamin’ny taona 2004 satria nisy banga be ara-bola tao ; jerempotsiny satria akama na olona akaiky ny fitondrana (mety ahataka kely na gadraina sazy mihantona ireny ao aoriana kely ao). Raha izao no mitohy dia ho betsaka amin reo mpitondra ireo no handositra any ivelany rehefa tsy eo amin’ny fitondrana intsony izy ireo satria tsy maintsy hiseho ny marina na dia ho afaka taona maro na vitsy aza izany.

Gaga ny maro tamin lay interview an ' ingahy Volatahina TVM (tao amin’ny lagazette de la grande île andro vitsy lasa izay) nilaza hoe tsy nisy « censure « ho an’ny katolika zany hono ao amin’ny TVM ; hita anefa fa lainga be izany satria lay izy na « censure » vonjimaika aza no nilazana azy de nisy ; satria tsy nolazaina ny akon’ny fety pentekôty tany amin reo eglizy katolika maro satria angamba mbola nafana ny fon’ny mpitondra dia nanao valifaty kely tamin’ lay raharaha mopera URFER iny zay nanala baraka azy.

Raha zao no mitohy dia ho any amponja avokoa ireo mpitarika mpanohitra ireo ary dia ho 1er (premier) tour de vita indray ny amin’ny taona 2011 satria voageja daholo zay manohitra ; tsy demokrasia zany hoy ny maro sy ny mandinika fa didy jadona amin’ny endriny hafahafa ary mety hifandimbiasana ny fidirana amponja satria mety ny mpitondra amin ‘zao koa no hiditra any rehefa tsy ho eo amin’ny toerany intsony izy reo.

Vaovao farany : re androany fa mety atao « illimité » ny mandat-n’ny ben’ny tanàna : zay lay tetika hafahafa e satria efa voagadra ry Roland Ratsiraka , ry Pety natao hazalambo ary dia mihevitra ny fanjakana fa malalaka ny lalana,( la voie est libre) tsy misy mpanakatsakana intsony satria efa tsy eo ireo adversera goavana ; misy marina ny an’i Pastora Andriamanjato Richard niahiahy hoe : tena kristiana mpivavaka marina ve ireto mpitondra antsika ireto satria ny fihetsiny dia toa tsy izany mihintsy fa toa tetika sadasada handetehina adversera no tena imasoany ; ary iza no mahita fa mety ho « illimité » koa ny mandat-n'i prezidàn’ny repoblika zany hoe « à vie » mandra-maty araka ny vinavina hita an-gazety androany.
Ny tantara ho hitsara, matezà ny aina hahita ny tohiny e.

Misaotra anareo

M .Solo
(Antananarivo)

Hits: 1023
Commentaires (0)add
Ecrivez un commentaire
quote
bold
italicize
underline
strike
url
image
quote
quote
diminuer | agrandir

security image
Entrez les caractères affichés


busy



Partager l'information :
Digg!Reddit!Del.icio.us!Facebook!Slashdot!Netscape!Technorati!StumbleUpon!Newsvine!Furl!Yahoo!Ma.gnolia!Free social bookmarking plugins and extensions for Joomla! websites!
 
< Précédent   Suivant >

Décryptage

Articles édifiants et instructifs sur la face cachée de la "Haute Autorité de la Transition" : Ses conseillers occultes, l'idéologie qui anime le "clan" au pouvoir, manipulations et intimidations, déni de justice... A voir et à lire sur "LE JOURNAL LE DEMOCRATE".

Syndication

Tribunes populaires

  • Gazety MALAZA : Extrait
    Prévisualiser | Lire la suite...
    n°327, du 1er au 4 juin 2007

    Kardinaly sy ny Villa 450 tapitrisa : « Manala baraka ny katôlika ny kardinaly Gaetan »

  • L'unité dans l'intérêt de Madagascar : Message aux leaders de l'opposition en exil
    Prévisualiser | Lire la suite...
    La politique exige parfois de ceux qui la pratiquent qu’ils fassent des sacrifices, qu’ils renoncent parfois à leurs intérêts personnels, au moins pour un temps, pour porter haut et fort ceux du pays qu’ils disent chérir et vouloir défendre contre tous les dangers qui le menace.
  • Soritr'Asa Hoan'i Madagasikara - Madagascar Société d'Avenir
    Prévisualiser | Lire la suite...
    Projet de société Soa
    MADAGASCAR
    Société d'Avenir
    L’heure est venue de proposer une base de réflexion commune à l’attention de l’ensemble des partis de l’opposition malgache.
    Nous livrons à l’opinion publique un Projet de société permettant enfin d’avancer vers une société plus juste, plus solidaire et plus soucieuse du développement économique et social de Madagascar.
  • ZAFY Albert interpelle vigoureusement Marc Ravalomanana
    Prévisualiser | Lire la suite...
    ZAFY Albert, Président d’honneur du CRN (Comité de Réconciliation Nationale) interpelle vigoureusement Marc Ravalomanana dans une déclaration qui lui est personnellement adressé.
  • Cette jeunesse qui ne doute de rien, surtout pas du grotesque !
    Prévisualiser | Lire la suite...
    « Une transition… c’est le meilleur moment pour mettre la main sur les ressources de l’État et du Pays en toute impunité ».

    Cette affirmation au demeurant choquante, reflète toute l’étendue des vices qui peuvent animer l’esprit de son auteur et nous permet également de soulever un coin du voile sur les véritables motivations des membres du groupe formé d’entités hétéroclites et qui président provisoirement à la destinée de Madagascar à travers la transition actuelle.
Logo Tribunes

Aujourd'hui

Dimanche, 5 Fevrier 2012
19:17:36

Commentaires récents

Madagascar : Feuille de route finale et définitive pour...
Posté par : essay writing
Je viens de tombé sur votre blog et je voulais vo...
RACISME, FIHAVANANA et PAUVRETE
Posté par : val
moi même étant dans le soi-disant groupe" merina...
Roland Ratsiraka, Norbert Ratsirahonana : Même combat !
Posté par : china wholesale
I love it.
Portfolio : Pierrot Rajaoanarivelo élargit les bases du...
Posté par : australe
VOILA ENFIN UN HOMME DIGNE D ETRE LE PRESIDENT DE ...
Gazety MALAZA : Extrait
Posté par : Rodin
salama daholo, za ry zareo a. za Katolika no mite...
Gazety MALAZA : Extrait
Posté par : Rodin
salama daholo, za ry zareo a. za Katolika no mite...
Référendum constitutionnel : Le MDM demande le report d...
Posté par : leroa
le report du réferdun ne doit pas representer un ...
MAP : Stade suprême de la médiocratie
Posté par : Rado
Le texte lui même ne présente pas une argumentat...
Pierrot Rajaonarivelo invité à la célébration du FISEHA...
Posté par : Jarifa de mahajanga
Voilà l'homme que les usurpateurs du pouvoir crai...
Pierrot Rajaonarivelo invité à la célébration du FISEHA...
Posté par : Bcount
Tous les apprentis dictateurs ont leurs fanatiques...
Logo Soa