|
Ho an’ireo izay maharaka tsara ny fizotrin’ny raharaham-pirenena ao Madagasikara dia hita tsara ary miha mazava izao ny mampitombina hatrany ny fitakian’ny CRN ( komity ho an’I Fihavanam-pirenena ) ny fametrahana ny rafitra Teteza-mita ara-demokratika ( Transition démocratique ) mba hitsaharan’ny tetika maloto aroson’ny fitondrana ankehitriny, izay za-dratsy amin’ny fanapotehana ny firenena, tahaka ny jadona izany ary indrindra ny fivarotana ny Tanindrazana amin’ny vahiny. Io rafitra Tetezamita io no hany vaha olana ahafan’I Madagasikara miroso haingana kokoa amin’ny rafitra tena demokratika ahafahany mamerina ny hasin’ny andrim-panjakana rehetra izay antokin’ny repoblika manan-kaja no sady koa ahafahan’ny Malagasy tsirairay tsy vaky volo mandray anjara mavitrika amin’ny fampandrosona ny Firenena.
Tsy izoviana amin’ny maro intsony fa very tanteraka ny hasin’ny andrimpanjakana Malagasy amin’izao. Na ny solombavam-bahoaka, ny sefom-paritra, ny loholona, ny minisitra, ny mpitsara isan-tsokajiny sy ny sisa dia miondrika daholo eo anatrehan’ny filoham-panjakana, Ravalomanana. Tsy misy mihitsy izany hoe “fahaleovan-tenan’ny fitsàrana” izany na ny fitsinjaram-pahefana izany, izay, ampitsihahivina fa fototrin’ny demokrasia sy ny fivoarana; foana ihany koa ny démokrasia izay ahitana ny fitondran’ny maro an’isa miaraka amin’ny hevitr’ireo vitsy an’isa; Rava teo koa ny rafi-pifidianana malalaka mba ahafahan’ny mpifidy maneho malalaka ny safidiny ; Potika daholo ny hasin’ny fanjakana, ny hasin’ny firenena, ny hasin’ny repoblika maha-repoblika an’I Madagasikara. "Jadona", "halatra" amin’ny harena ankibon’ny tany hiarahany amin’ny vahiny, “antsonjay”, “fanilikilihana” ny tsy mitovy hevitra aminy, “fanavakavahana” ary “fankahalàna” ny amin’ny samy Malagasy no mibahan-toerana amin’ny rafi-pitondrana Ravalomanana.
“Vita ny fifidianana rehetra” hoy izy ka “hiasa amin’izay isika amin’ny fampandrosoana an’I Madagasikara”. Io no mba tenin’ny filoha tamin’ny alahady 27 aprily 2008, nandritrin’ny valan-dresaka izay fanaony isakin’ny alahady mba “hanadontoana hatrany ny saim-bahoaka” izay mihaino ny radiom-panjakana, RNM. Mioraka daholo ireo fanatika TIM fa hoe: “Marina ny an’I Filoha”, “fandrosoana amin’izay ary izao” etsetra, etsetra, kanefa dia raha olona mba manana fisainana farany ambany aza dia mahatsapa avy hatrany fa fanambanian-tsain’ny vahoaka diso tafahoatra ny toy izao.
Maro ny azo anaporofoana an’izany, ary ity misy ohatra vitsivitsy: Dia mihevitra izany ny filoha sy ireo mpomba azy fa ny “fisian’ny fifidianana” amin’ny firenena iray dia midika fa hoe “Tsy afaka miasa mihitsy ny mpitondra fanjakana sy ny andrim-panjakana ao anatiny”? Mihevitra koa ve izany ny fitondrana sy ny akolitany fa “izao” (izany hoe enin-taona aty aoriana), taona 2008 izao ve vao “afaka hiasa amin’izay” ny fitondrana malgasy? Izay midika avy hatrany ary fa “Tsy mbola niasa mihitsy” izany ry zareo hatramin'izay, enin-taona garangidiny izay ? Fa nanao inona foana ary, sa nangoron-karena ihany araky ny filazan’ny vahoaka azy?
Hita fa tsy “sérieux” raha izany fitondrana Malagasy izany, raha toa ka fisainana mirefarefa amin’ny tany sahala amin’izao no fiheverany ny toe-tsain’ny Malagasy tsy vaky volo.
Ary ahoana ny amin’ny “fisokafana amin’ny hery hafa” (ouverture politique) izay lazain’ny fitondrana mikasika ity fanendrena senatera iraika ambin’ny folo mianadahy ity? Tsara ny mamerina eto fa nanendry an’ingahy Moxe Ramandimbilahatra ( izay mpanolotsaina politika an’I Filoha Ravalomana ), an’ingahy Rabetsitonta tovonanahary, an’I jeneraly Rabotoarison Sylvain sy ramatoa Ruffine Tsiranana sy ny sisa Ravalomanana amin’ireo ampahan’ny senatera natao ho tendrena ireo, ka nanararaotra nilaza fa nanao “ouverture politique” izany ny fitondrana.
Any amin’ny firenena hafa dia “Henatra” sy "hozona no mahazo ny mpitondra manitsakitsaka ny hasin’ny vahoaka tahaka izao". Fa eto Madagasikara kosa dia toa noraisin’ny mpanaradia ny mpitondra, indrindra fa ireo mpisolelaka, ho “rehareha” izany fanambakana vahoaka izany. Ny antony ? Ry Rabetsitonta, Rabotoarison, Ramandimbilahatra, Ruffine Tsiranana izany dia, voalohany, olona tsy manana hery politika na kely aza, tsy manana fototra, tsy manana mpikambana mazava fa olona mitonontena amin’ny anarany manokana fotsiny. Faharoa, olona nilona tao amin’ny “mpikambana” manohana an-jambany an-dravalomanana izy ireo hatramin’izay ka tsy mitombina velively ny filazana fa “hery politika hafa” ireo olona ireo ka asahian’ny mpitondra milaza ny teny hoe “ouverture”.
Na ny antoko AVI ( Asa vita no hifampitsarana ) an’ingahy Ratsirahonana koa aza dia nanaiky toerana ho senatera ka ramatoa Juanita no voatendry tamin’izany. Eto koa dia mibahabahaka fa tena fitandiavan-tseza no nataon’i AVI ( Ny asa vita ange no hifampitsarana é ), satria na ingahy Ratsirahonana Lala Norbert aza dia nitsotra mihitsy fa hoe: “aleo ihany manana senatera iray toy izay tsy misy”. Senatera “notendrena” izy io fa tsy voafidy. Izany dia efa porofo mitohoka amin’ny tenda fa “olona mpitady seza” na antsoina hoe “mpisolelaka” daholo no notendren-Dravalomanana ho senatera. Efa tsy lazaina intsony ireo senatera TIM izay “notendrena” avy tamin’ny alalan’ny “fifidianana” sandoka, feno kolikoly, fividianana safidy, ka nahazo 100% dia lany daholo.
Eo ary no mipetraka avy hatrany ny ahiahy izay milaza loza vaovao misosoka amin’ny loza efa misy tao anatin’ny enin-taona nitondran-Dravalomanana izay: “Nipetraka ny senatera sary bakoly”, manatevin-daharana ny “solombavam-bahoaka sary bakoly”, ny “mpanolontsainam-paritra sary bakoly”, ny “mpitsara sary bakoly”…
Tafapetraka daholo izany izao ny “fitondrana Sary bakolin-dRavalomanana”.
Dia io ary izy sahy milaza fa hoe: “Hiasa amin’izay”.
Tena rariny loatra ary raha toa ka vaky loha sy miha fanina ny vahoaka Malagasy satria ny “vaha olana” amin’ny fahasarotam-piainana izay mianjady aminy no nandrasany avy amin’ny fitondrana ankehitriny, fa tsy ny fireharehana “fitondrana sary bakoly” izay hanatanteraka an-jambany ny sitrapon’ny filoha, Ravalomanana. Ity filoha ity mantsy efa nilaza ampahi-be maso mihitsy fa izay masaka ao andohany ihany no ho tanterahiny fa “tsy te halala” hono izy amin’izay hetahetam-bahoaka izany mihitsy. Ka amin’izao fametrahana ny andrim-panjakana “sary bakoly” izao dia mazava ho azy fa “loza” fa tsy “fahasoavana” no ho tonga hitambesatra eo amin’ny hatokin’ny vahoaka Malagasy izay efa tsy mandohalika mihitsy nohon’ny fahantrana diso tafahoatra fa “mandady” sy lavo loha nohon’ny fanambakana, fanambaniana sy ny fanitsakitsahana ny hasiny noho ny afitsoky ny mpitondra fanjakana.
Inona ary no atao ? Fanontaniana miverimberina amin’ny sain’ny maro io fanontaniana io. Hiverina andalam-be indray ve? Sa hanaiky ho kitsahina loha ka tsy sahy miteny sy manohitra ?
Tokana anefa ny safidy : Na ianao hanaiky izao “toe-javatra” izao na ianao “hanohitra” azy. Fa raha hanohitra kosa dia misy vaha olana maromaro: Na miandry ny hafa aharesy an’ity fitondrana jadona hihodidihan’ireo sary bakoly ireo, na hiandry fanonganam-panjakana izay tetehin’ny sasany, na koa handray andraikitra ka hanohitra ity toe-javatra ity amin’ny alalan’ny fandinihana miaraka ny fomba hametrahana ny hery “demokratika”, izay iarahan’ny be sy ny maro, ka ny rafitra “tetezamitia” izany, sahala amin’ilay karakarain’ny CRN.
Tsy azo lavina fa misy feo miely manaratsy an’ity “rafitra” tetezamita izay kirakirain’i CRN ity. Kanefa anjaran’ny tsirairay ny mandinika tsara ny amin’izay mety ho tombotsoan’ny firenena manokana izay ahitany ny tombotsoany koa. Raha jerena mantsy ireo “olona” izay mitarika ny hafa hanohitra ny tetezamita dia hita mivandravandra fa karazan’olona “tsy sahirana” sy “mpanararaotra” ny fahapotehan’ny toe-piainanan’ny vahoaka malgasy izy ireo satria izao toe-javatra misy izao dia mifanaraka tsara amin’ny “varotra” sy ny “asa” izay ataony. Porofo : Miaiky ireo olona ireo fa tsy takona hafenina ny fahatran’ny gasy ary fantany fa ny mpitondra no tompon’andraikitra amin’izany. Kanefa, tsy tiany ny hiovan’izany toe-javatra izany mba ahafahan’ny vahoaka miverina amin’ny rafi-piainana tsaratsara kokoa, ka toeriny ny Tetezamita; Miaiky koa ireo olona ireo fa “halatra”, “sarintsariny” ireny fifidianana natao ireny hatr’izay ka olom-boafidy amin’ny anarany fotsiny ireny olona ireny fa tsy “voafidim-bahoaka “ mihitsy satria 9% isan-jatony fotsiny ny olona nifidy azy ireo. Saingy, amin’ireo olona ireo dia aleony ihany “mpitondra sary bakoly” no eo satria afaka miaro sy mampandeha tsara ny “varotra” izay ataony, sy miaro ny “tombotsoany” na dia ho faty aza ireo sarambam-bembahoaka nohon’ny hafitsokin’ny fitondrana tena tsy mahomby izay misy ankehitriny.
Ny tena mampivarahontsana ny saina dia ny filazan’ireo mpanohana anjambany an-dRavalomanana, fa “olona efa tranainy” daholo hono ireo mpitarika ny CRN, olona “efa nitondra” ka tsy “credible” intsony satria efa fantatra ny zavatra nataony. Tokony olona vaovao sy tanora hono no mitarika ny Tetezamita. Toe-tsaina mampivarahontsana ny toy izany satria hita tsara fa (ary amin’ny fo tsy miangatra) dia “miaiky ny hilàna ny Tetezamita” ihany ireo olona ireo fa kosa mila “olona afaka hiaro ny tombotsoany” izy. Izany hoe, tsy ny “tombotsoam-bahoaka”, “hanala ny jadona, ny fahantrana, ny antsonjay mianjady amin’io vahoaka io no tanjony fa kosa ny hiaro ny tombotsoany manokana ihany.
Toe-tsaina mirefarefa amin’ny tany izany satria mbola mibahan-toerana ihany amin’ireo olona milaza azy fa tsy mila ny “tetezamita” ireo ny “fitiavan-tena” na dia hita izao aza fa efa maty noana ny vahoaka malgasy, efa lasan’ny vahiny daholo ny harena ankibon’ny tany misy eto Madagasikara, efa safotrin’ny jadona ny tontolo politika ary hanjakan’ny kiantrano antrano ny sehatrin’ny toekarena…
Misy hakanosana koa ao ambadik’ireo olona ireo raha sahy milaza izy fa “olona efa tranainy” daholo ny ao amin’ny CRN. Hakanosana satria, izy ireo mihitsy no mihazakazaka maka ny hevitry Ramakavelo Désiré ( ministra taloha ary efa tranainy ), Gisèle Rabesahala ( ministra taloha ), Pasteur Richard Andriamanjato, Manandafy Rakotonirina, sy ny hafa ary midehaka ery manambara fa ireto olona efa be taona ireto dia tsy manohana tanteraka ny fotokevitrin’ny CRN.
Mifanohitra be izany ny eritreritr’ireo milaza azy fa manohitra ny CRN sy ny rafitra tetezamita ireto.
Hakanosana ihany koa satria, mbola ry zareo ihany no mitehaka voalohany ary manome tso-drano ireo olona “Tranainy be” ary “efa hita koa ny hadisoany teo amin’ny fitondrana ny raharaham-panjakana”, sahala amin’ireto senatera vaovao voatendry ireto : Rabetsitonta, Rabotoarison, Ruffine tsiranana, Moxe Ramandimbilahatra, ny antoko AVI sy ny sisa.
Hita izany, araka ny famelabelarana etsy ambony fa “ny fitiavan-tena diso tafahoatra” no manosika ny sokajin’olona tena vitsy dia vitsy, fa manana ny vola sy ny enti-manana, manohitra mafy dia mafy ny fampivoarana an’I Madagasikara avy amin’ny alalan’ny fametrahana ny rafitra Tetezamita.
Io “fitiavan-tena” io dia porofo ho an’i vahoaka malgasy fa “mifanipaka avokoa ny hevitra aroson’ireto” olona minia mikipy maso eo anoloan’ny fahasahiranana mahazo ny vahoaka Malagasy amin’izao.
Efa fantatrin’ny vahoaka Malagasy maro tsy vaky volo io fisainan’ireo izay mihezaka mafy mba tsy hisian’ny fiovana, sy fandrosoana eto Madagasikara, ary manosika azy ireo hanompo “andrim-panjakana feno sary bakoly” sy filoha mandidy sy manapaka amin’ny tany sy ny fanjakana jadona misy eto madagasikara ity.
Efa tsapan’ny mpikambana ao amin’ny CRN koa izany fisehoan-javatra izany ka mahatonga azy tsy mandany fotoana firy intsony amin’izay ataon’ireto fahavalom-pirenena mpanohitra ny rafitra Tetezamita ireto. Aleon’ny CRN manohy ny soritr’asa izay napetrany mba hanantanterahina ny rafitrin’ny fampihavanam-pirenena sy ny fahafahan’ny Malagasy tsy vaky volo mampivoatra “miaraka” amin’izay ny firenena izay nolovana tamin’ny razamben’ny Malagasy.
Efa manomboka manamafy orina ny rafitra CRN any amin’ny faritra maro be any ireo mpikambana ao aminy, mba ahafahany manazava tsara ny saim-bahoaka indrindra ny mikasika ny afitsok’ity fitondrana sary bakoly ity amin’ny fanapotehana ny firenena malgasy.
Ho hita eo ary iza no hivoaka ho mpandresy amin’ity tetik’asa hampandrosoana an’I Madagasikara ity: na ireo izay milaza azy fa manana ny MAP sy “sary bakoly” be dia be manantanteraka ny baikony mba hiarovany ny tombotsoany, na ireo vahoaka malagasy te hiala amin’ny fahantrana mangitsokitsoka misy azy izao ary hitazoman’ireo mpitondra fanjakana azy hatramin’izay ka hatramin’izao, ary miady mafy ny hametrahana ny rafitra tetezamita voahevitra sy tsara lamina mba ahafahany mandositra izao fahantrana izao ?
E.A.
 |
Ny miaramila moa dia iny efa nalany iny ny vanginy; ny fiangoanana sisa no azo lazaina hoe hery eto Madagasikara.Nefa...
I Ra8, filoha lefitry ny FJKM. Ny Katolika angamba hatramin'ny tsy maha eo amperinasa an'i Razafindratandra intsony. Nefa ny Katolika rehetra tsy azo lazaina hoe mtovy hevitra daholo sahala amin'ny mpikambana ao amin'ny antoko politika.
Noho izany rehetra izany dia azo lazaina fa tsy manan-kery mihitsy ny mpanohitra ary i Ravalo irery no tena mibahan-toerana...
Mampatahotra ihany ny fandehan'ny raharaham-pirenena satria mety ho filaharan'ny olona eny an-dalambe no hiseho dia hiverina indray ny korontana sy ny fanimban-javatra (anarchie) satria tsy manan-kevitra sy tsy manam-pitarika ny tsy faly. Atahorana mihitsy ny vono olona amin'ny tsy misy vokanay.
Inona izany no hatao. Fanontaniana mipetraka amin'ny mpanohitra rehetra io (Que faire? hoy Lénine. Que faire koa hoy i Ignazio Silone ao amin'ilay boky hoe" Fontamara")