TRIBUNES
LA VERITE SUR L'EMPRISONNEMENT DE ROLAND RATSIRAKA ET SES COLLABORATEURS | LA VERITE SUR L'EMPRISONNEMENT DE ROLAND RATSIRAKA ET SES COLLABORATEURS |
|
|
|
| Écrit par La Rédaction | |
| 09-06-2007 | |
|
UN SCANDALE !
1- Le marché d’enlèvement d’ordures de TAMATAVE a fait l’objet d’un appel d’offres en 2004 et 2005. Les Inspecteurs d’État de Tamatave sont membres de la Commission Provinciale des marchés : ils étudient, élaborent et valident le cahier des charges qui donne point par point les quantités forfaitaires d’ordures de la ville et le montant annuel à payer. Ils ont toujours validé et légalisé ces marchés. LA VERITE Version Malagasy NY MARINA MOMBAN’NY FAMPIDIRANA AM-PONJA AN’I ROLAND RATSIRAKA SY IREO MPIARA-MIASA AMINY BARAKA ! 1- Nanaovana fiantsoana tolo-bidy (appel d’offres) ny fanalana ny fakon’ny tanànan’i Toamasina taona 2004 sy 2005. Ny Inspecteurs d’Etat eto Toamasina no anisan’ny mpikambana ao amin’ny “Commission Provinciale des marches” izay komisiona miandraikitra ny fanomezan’ny sampandraharaham-panjakana asa ho an’ny orinasa tsy miankina amin’ny fanjakana: adidin’ny mpikambana ao amin’io komisiona io ny mandinika, mandravina, manamarina sy manome hery ara-panjakana ny “cahiers des charges” izay mametra ny haben’ny fako, isan’ny toerana fanariam-pako hatramin’ny totalim-bola azo anefana ny fanalana izany fako izany. Nanamarina hatrany izay voasoratra ao amin’ny “cahiers des charges” 2004 sy 2005 ny Inspecteurs d’Etat eto Toamasina tao anivon’ny Commission Provinciale des Marchés Toamasina. 2- Hatramin’ny naha voafidy azy ho Ben’ny Tanàna, i Roland RATSIRAKA dia tsy mbola nandray anjara tamin’io komisiona io na indray mandeha aza. Zany hoe tsy tompon’andraikitra mihitsy izy tamin’ny fanomezana ny asa fanariam-pako tamin’ny orin’asa izatsy na iroa. 3- Ireo « Inspecteur d’Etat » nanao ny fiampangana dia nanadino fa ny tenan’izy ireo ihany no nanamarina ny rehetra rehetra mikasika ny fanomezana asa fanariam-pako taona 2004 sy 2005 satria noheveriny fa fifanekena mivantana tamin’ny orin’asa mpanary fako no nataon’ny Roland RATSIRAKA. Zany hoe noheverin’ireo Inspecteurs d’Etat eto Toamasina fa nanao antso ho an’ny tolo bidy « appel d’offres » i Roland RATSIRAKA tahaka ny fanaon’ny Lehiben’ny Faritra eto Toamasina. (Izany no antony nisafidianany ny fanariam-pako taona 2004 sy 2005 ho votoatin’ny raharaha). Raha ny marina izany sady mpitsara no tafiditra anisan’ny olona tsaraina ny “Inspecteurs d’Etat”. Raha toa ka misy marina ny tsy ara-dalàna dia izy ireo no tompon’andraikitra amin’izany satria izy ireo ihany no tsy nandravina ny “cahiers de charges”. 4- Fitsirihina (inspection) mi-isa 8 no nisesy nefa tsy nahita zavatra tsy ara-dalàna mikasika ny fanomezana ny asa fanariampako taona 2004 sy 2005 sy ny fanefana azy. Ny fitsirihana farany (tao amin’ny trésor” dia natao tamin’ny desambra 2006). 5- Ny fanefana ny factiora ny kominina an-drenivohitra dia mandalo amin’ny “Trésorier Principal” fa tsy tahaka ny Faritra na kominina ambanivohitra. Tsy misy fanefana faktiora azo atao raha tsy eken’ny “Trésorier Principal”. 6- Mampieritreritra fatratra ny fomba fiasa sy ny fahamendrehan’ny Tale Jeneraly ny Inspection Générale de l’Etat ho an’ny rehetra izay namaky ny lahatsoratra nivoaka tamin’ny La Gazette de la Grande Île tamin’ny 23.05.07 na nahita tao amin’ny site web: http// www.madagasikara-soa.com ka tsy mahagaga raha mametra fitoriana miampanga azy ho namorona antontan-taratasy feno lainga sy fanendrikendrehana ampiasaina amin’ny fanenjehana amin’ny Fitsarana I Roland RATSIRAKA. 7- Ny fampidirana vonjy maika ao am-ponja i Roland RATSIRAKA sy ireo mpiara-miasa aminy dia zava-mahamenatra isaloran’ny Politika sy ny Fitsarana mitambatra satria tsy misy votoatiny mitombona ny fitoriana: tsy hita ny heloka izay nataon’izy ireo. Porofon’izany ny namotsorana vonjy maika ny tompon’andraikitra roa ny orin’asa nahazo ny asa fanariam-pako izay nolazaina fa nandray ny vola voahodina sy ny mpiasa ao amin’ny Trésor noheverina fa namoaka io vola io. 8- Tsy vitan’izany fa ny Fitsarana dia miaiky fa tsy voalaza ny hoe ohatrinona ity vola nolazaina ho voahodikodina ity ary, ka mandray izany ho anton’ny tsy nanomezana fahafahana vonjy maika an’I Roland RATSIRAKA. Zavatra tsy azo nisaintsainina mihintsy izany, mampi-tsy te- hino, fahafaham-baraka tsy hay lazaina ho an’ny Fanjakana tan-dalàna eto Madagasikara. Izany dia mitovy amin’ny hoe: ampangaina fa nangalatra fiarakodia iray Roland RATSIRAKA nefa tsy misy filazalazana na iray akory momba ny: iza no tompon’io fiara io, inona ny marque, inona ny lokony. 9- Voahosihosy ny Zon’Olombelona. Moa ve anisan’ny fomba fampandrosoana ny tanintsika ny fampidirana am-ponja ny olona tsy mana-tsiny? Mba misy ve ny fiheverana ny fianakavian’ireo olona ireo sy izay rehetra fiantrekan’ny fepetra toy izany? (Ny fomba fiainana ao am-ponja: ny tsy fisian’ny fahadiovana, ny amaroan’isan’ny voafonja izay tsy zakan’ny haben’ny trano izay efa tena tranaina dia tranaina…) 10- Voahosihosy ny Demokrasia. Efa tsy misy tsy mahafantatra: Politika ity raharaha ity. Ben’ny Tanàna voafidim-bahoaka indroa misesy io nefa atao hatrany izay tsy ahataperany araky ny tokony ho izy ny fe- potoana hiasany satria tsy an- kiato ny fanenjehana azy nanomboka tamin’ny taona 2002. Ny tena marina mikasika ny anton’ny nampidirana am-ponja I Roland RATSIRAKA dia ny sahalan’isa azony tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena tamin’ny 03 Décembre 2006 sy ny fandresena izay ahihina mety ho azony amin’ny fifidianana ho avy. NY MARINA
Bookmark
Email This
Hits: 1528 Commentaires
(0)
|
| < Précédent | Suivant > |
|---|
Articles édifiants et instructifs sur la face cachée de la "Haute Autorité de la Transition" : Ses conseillers occultes, l'idéologie qui anime le "clan" au pouvoir, manipulations et intimidations, déni de justice... A voir et à lire sur "LE JOURNAL LE DEMOCRATE".

| Madagascar : Feuille de route finale et définitive pour... Posté par : essay writing |
| RACISME, FIHAVANANA et PAUVRETE Posté par : val |
| Roland Ratsiraka, Norbert Ratsirahonana : Même combat ! Posté par : china wholesale |
| Portfolio : Pierrot Rajaoanarivelo élargit les bases du... Posté par : australe |
| Gazety MALAZA : Extrait Posté par : Rodin |
| Gazety MALAZA : Extrait Posté par : Rodin |
| Référendum constitutionnel : Le MDM demande le report d... Posté par : leroa |
| MAP : Stade suprême de la médiocratie Posté par : Rado |
| Pierrot Rajaonarivelo invité à la célébration du FISEHA... Posté par : Jarifa de mahajanga |
| Pierrot Rajaonarivelo invité à la célébration du FISEHA... Posté par : Bcount |
