• Narrow screen resolution
  • Wide screen resolution
Vous êtes ici : HOME arrow TRIBUNES arrow Gazety MALAZA : Extrait
Gazety MALAZA : Extrait Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
(27 votes)
Écrit par La Rédaction   
24-06-2007
n°327, du 1er au 4 juin 2007

Kardinaly sy ny Villa 450 tapitrisa : « Manala baraka ny katôlika ny kardinaly Gaetan »

« kristianina tsy mandà fanomezana ! hano fa adala tompo ! ». Maro angamba ny mahatsiahy an’io fitenin’i Kardinaly Armand Gaetan Razafindratandra io, fony izy nanao valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety tamin’ny taona 2001 raha nanolotra an’ireo masontsivana folo ifantenana izay mendrika ho Filohampirenena ny FFKM.
Io fehezan-teny io tokoa mantsy no nentiny namaly ny mpanao gazety izay nanontany azy ireo manodidina indrindra ny fampiasana sy fanomezana vola ny mpifidy mba hanjonoana ny safidiny.

Nandritra ny fotoana nahalehiben’ny finona Katolika Romana eto Madagasikara azy tokoa mantsy dia tsy nisalasala izy nijoro ho mpomba ny fitondrana sy niara-niasa akaiky tamin’ny Filohan’ny Repoblika. Singanina tamin’ireny ohatra ny fiarahan’izy ireo nitokana ny fiangonana katolika tamin’iny faritra Andramasina iny, ka ny Filohampirenena no namatsy vola azy.

Torak’izany koa ny nampitaovana an’ireo solontenan’ny tanora katolika Malagasy tamin’ny JMJ natao tany ivelany.
Rehefa nandeha nisotro ronono Ingahy Kardinaly noho ny fe-taona, dian nanamboaran’ny fitondram-panjakana trano mitentina 450 tapitrisa fmg izy mba hiadanany any Besalampy, ka na ireo samy mpisorona aza mba taitra ihany satria tsy fahita loatra ny toy izany.
Niarahan’ny rehetra naheno rahateo moa farany teo, fa tsy nisalasala izy nanohana ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana raha toa ka nandroaka an’i Mompera Urfer izy ireo.

Miova Andriana tokoa, miova sata. Notendren’i Vatican ho arsevekan’Antananarivo handimby ny Kardinaly ny Monsenera Odon Arsène Razanakolona. Nandefa helikaoptera manokana haka azy tany amin’ny diosezin’Ambanja moa ny Filoha Ravalomanana, araka ny loharanom-baovao, saingy dia naveriny izany fiaramanidina izany fa naleony nandeha sambo, sy fiaramanidina hihazo ny renivohitr’i Madagasikara. Araka ny loharanom-baovao ihany koa dia tsy niombon-kevitra ny Katolika tamin’ny nanoloran’ny Filohampirenena vola 100 tapitrisa ny tanora nandritra ny JMJ nataon’izy ireo tany Toamasina, ka nisy aza ny nagataka tamin’ny eveka mba tsy andraisana an’izany vola izany.

Niezaka hametraka ny katolika amin’ny toerany moa ity Arsevekan’Antananarivo ity, ka te hipetraka ho tsy mpomba ny mpanohitra na mpomba ny mpitondra izy fa te hijoro arak’izay nanirahan’ny evanjely azy marina, araka ny fanambaran’izy ireo ombieny ombieny.
Matetika toa manindrona ny fitondrana ny fanambaran’izy ireo. Mahatsiaro tena ho voadona ny mpitondra, ny mpanohitra rahateo mipikelika ka soketaina ho lasa mpanohitra fitondrana izy ireo.
Indraindray kosa mba mahazo sitraka ny fitondrana noho ny asa nataony, ka heverin’ny mpanohitra ho toy ny tsindro-paingotra ho azy indray ireny. Dia toy izany hatrany no niainan’ny Katolika.

Saingy ny raharaha Urfer teo no nampipoaka ny vanja, indrindra ny fomba nitondrana azy toy ny jiolahy teny amin’ny seranam-piaramanidina, izay tsy nahazoana akory nitafa taminy na dia fantatry ny mpitondra aza fa tonga teny an-toerana ireo delegasiona mafonja tompon’ny fahefana avy amin’ny finoana Katolika eto Madagasikara, izay notarihan’ny Arseveka Odon Razanakolona. Namoaka fanambarana nanameloka an’ity raharaha ity moa ny fiombonamben’ny Eveka taorian’izany, kanefa ny mifanohitra tamin’izany no nataon’ingahy Kardinaly.
“Enta-mavesatra ho anay ihany ny Raiamandrany Kardinaly. Manaja azy aho amin’izay toerana misy azy izay, kanefa toy ny manofy ihany raha mahita mpitondra katolika ka tsy hiombon-kevitra amin’ny fanapahan’ny fiombonamben’ny eveka, izay faratampony amin’ny fitondrana ny EKAR eto Madagasikara.
Mivavaka ho azy isika. " Izay angamba no fantany fa mety ka tsy hifanomezan-tsiny ? " hoy ny pretra iray sendra tafaresaka taorian’ny fanamasinana ny nandraisan’ireo zaza ny Sakramenta Masina voalohany tamin’ny fetin’ny Pentekoty teo.

Raha ireo fifanoheran-javatra rehetra ireo no dinihana, dia tsapa ho manala baraka ny Finoana katolika ihany ingahy Kardinaly, ary toa manamarina ny fiheveran’ny fanjakana ny katolika ho mpanohitra aza ny endriky ny fanehoan-keviny imasom-bahoaka. Raha manameloka ny fomba nandroahana an’I Mopera Urfer ohatra ny fiombonamben’ny Eveka, izy kosa dia toa momba an’izany ary nandetika aza nataony. Raha nagataka fanampiana tamin’ny Filohampirenena hatrany ohatra ingahy Kardinaly, ny tato aoriana kosa ny namerina ny vola aza no nokatsahiny.

Izany hoe raha nisisika mafy hifamatotra amin’ny Filohampirenena ny kardinaly, ny tato aoriana kosa te hametraka lamina sy famaritana mazava amin’izay endriky ny fiarahamiasa marina iarahana amin’ny fanjakana izay, kanefa tondroina ho mpanohitra fanjakana noho izay foto-kevi-dehibe ijoroany izay. Ka tantara mbola hitohy ity fihenjanan’ny tady eo amin’ny katolika sy ny fitondram-panjakana ity ka nandrasana ny ho tohiny.

Source : RR, Gazety MALAZA N°327

Hits: 12760
Commentaires (0)add
Ecrivez un commentaire
quote
bold
italicize
underline
strike
url
image
quote
quote
diminuer | agrandir

security image
Entrez les caractères affichés


busy



Partager l'information :
Digg!Reddit!Del.icio.us!Facebook!Slashdot!Netscape!Technorati!StumbleUpon!Newsvine!Furl!Yahoo!Ma.gnolia!Free social bookmarking plugins and extensions for Joomla! websites!
 
< Précédent   Suivant >

Madagascar societe d'avenir

Projet de société Soa

Un Projet de société pour et avec les Malgaches.
[Consulter]

Syndication

Tribunes populaires

  • L'unité dans l'intérêt de Madagascar : Message aux leaders de l'opposition en exil
    Prévisualiser | Lire la suite...
    La politique exige parfois de ceux qui la pratiquent qu’ils fassent des sacrifices, qu’ils renoncent parfois à leurs intérêts personnels, au moins pour un temps, pour porter haut et fort ceux du pays qu’ils disent chérir et vouloir défendre contre tous les dangers qui le menace.
  • Gazety MALAZA : Extrait
    Prévisualiser | Lire la suite...
    n°327, du 1er au 4 juin 2007

    Kardinaly sy ny Villa 450 tapitrisa : « Manala baraka ny katôlika ny kardinaly Gaetan »

  • Soritr'Asa Hoan'i Madagasikara - Madagascar Société d'Avenir
    Prévisualiser | Lire la suite...
    Projet de société Soa
    MADAGASCAR
    Société d'Avenir
    L’heure est venue de proposer une base de réflexion commune à l’attention de l’ensemble des partis de l’opposition malgache.
    Nous livrons à l’opinion publique un Projet de société permettant enfin d’avancer vers une société plus juste, plus solidaire et plus soucieuse du développement économique et social de Madagascar.
  • ZAFY Albert interpelle vigoureusement Marc Ravalomanana
    Prévisualiser | Lire la suite...
    ZAFY Albert, Président d’honneur du CRN (Comité de Réconciliation Nationale) interpelle vigoureusement Marc Ravalomanana dans une déclaration qui lui est personnellement adressé.
  • Cette jeunesse qui ne doute de rien, surtout pas du grotesque !
    Prévisualiser | Lire la suite...
    « Une transition… c’est le meilleur moment pour mettre la main sur les ressources de l’État et du Pays en toute impunité ».

    Cette affirmation au demeurant choquante, reflète toute l’étendue des vices qui peuvent animer l’esprit de son auteur et nous permet également de soulever un coin du voile sur les véritables motivations des membres du groupe formé d’entités hétéroclites et qui président provisoirement à la destinée de Madagascar à travers la transition actuelle.
Logo Tribunes

Aujourd'hui

Mercredi, 10 Mars 2010
16:09:43

Declaration

Info

ZAFY Albert, Président d’honneur du CRN (Comité de Réconciliation Nationale) interpelle vigoureusement Marc Ravalomanana dans une déclaration qui lui est personnellement adressé.
Tous les thèmes de la gouvernance piteuse de celui qui se prétendait être le « messie incarné » y sont abordés, et plus encore …
.
[Ecouter et consulter la transcription]

Commentaires récents

MDM : Discours de clôture de Pierrot RAJAONARIVELO
Posté par : Black Monday
Nitady toko ka sendra vato. (Nous avons chercher d...
Marc Ravalomanana contribue-t-il volontairement à appau...
Posté par : lery
qu'est-ce qu'il faut faire pour que ces dictateurs...
COMMUNIQUE : Pour la dignité de Madagascar et de son Pe...
Posté par : guillaume
Entièrement d'accord avec vos façons de voir les...
Soritr'Asa Hoan'i Madagasikara - Madagascar Société d'A...
Posté par : CLAROT
Manao ahoana, Salaam, M'bola tsara, Bonjour, Merci...
La HAT assise sur un tonneau de poudre
Posté par : zaho
Habituellement, je prends part aux commentaires ma...
Communiqué officiel de soutien à la candidature de M. P...
Posté par : Cesar
Ok Pierrot! Le peuple malgache vous soutiendra.
Communiqué officiel de soutien à la candidature de M. P...
Posté par : mahatadidy
Azoko antoka aloha fa tsy maintsy afaka milatsaka ...
Soritr'Asa Hoan'i Madagasikara - Madagascar Société d'A...
Posté par : hamy
J'ai trouvé ce site par hasard et je le trouve tr...
Communiqué officiel de soutien à la candidature de M. P...
Posté par : lolll
J'essaie de suivre ce site depuis un bon bout de t...
Communiqué officiel de soutien à la candidature de M. P...
Posté par : Haingo
Nanaraka an'ity site ty foana aho efa elaela izay....
Logo Soa