Mafy noho ny nataon’ny mpanjanatany no ataon’ny « colon Ravalomanana »
Nitondra fanazavana momba ny tohin’ny hetsiky ny CRN tamin’ny volana Aprily iny ny Pr Zafy Albert omaly. Io hetsiky ny Crn io moa dia nanaovana antso tany amin’ny faritra isan-tokony manerana ny Nosy tany.
Nivaly ny ansto, hoy izy, ka saika ny fahamaikan’ny rehetra ho amin’ny fanatanterahana ny tanjona no vontoatin’ny resaka. Ny tanjona moa, raha notsorin’ny Pr Zafy Albert, dia ny fanalana izao fitondrana jadona mampahantra vahoaka ankehitriny izao.
Isan’ireo voambolana niverimberina tamin’ny valin’ny antso avy any amin’ny faritra izay notaterin’ny Pr Zafy Albert omaly ny hoe “henjana sy mafy noho nataon’ny mpanjanatany frantsay tamin’ny fotoanandro no afitsoky ny “colon Ravalomanana” amin’ny izao fotoana”.
Inona moa no endrika isehoan’izany araka ny fahitan’ny Crn azy ? Tsy inona izany, hoy ihany ny tatitra nampitain’ity filohampirenena teo aloha ity, fa ny fampijalian’Ingahy Ravalomanana sy fampitomboany ny fahantran’ny Malagasy, fakana an-keriny ny tanin’ny Malagasy, famotehana ny tanim-bolin’ny tantsaha, fandrobana ny kijanan’ombin’ny any ambanivohitra, fitrongisana ny fasan-drazan’ny Malagasy hakana ny taniny.
Isan’ny voatatitry ny Pr Zafy Albert omaly koa ny fitarainan’ireo vahoaka amin’ny afitsok’ireo vahiny miray tsikombakomba amin’ny “colon Ravalomanana” any amin’ireo toerana hitrandrahana harena ankibon’ny tany, toy ny any Taolagnaro (QMM) sy ny any Ambatovy Moramanga (Sherritt). Ao ny mitaraina ho nodisoina fanantenana, hoy ny Pr Zafy, satria nambara tamin’ny voalohany fa rehefa hanomboka ny tetik’asa dia homena laharampahamehana amin’ny fanomezana as any teratany. Ny zava-misy anefa dia mody ametrahana fepetra ny Malagasy fa tsy maintsy anaovana fizaham-pahasalamana, ka sampan-draharaha ao anivon’ny orin’asa ihany no manao izany (visite médicale) dia ambaran’ny vokatry ny fizahana fa “misy tosi-dra ka tsy azo raisina ho isan’ny mpiasa”.
Saika iharan’ny horohoro avy amin’ny manam-pahefana baikoin’ny “colon Ravalomanana” ny vahoaka any rehetra any ka matahotra ary dia tsy misy mety hiteny sy hitaraina intsony fa miandry izay tohin’ny hetsika hatoan’izay rehetra mahatsiaro sy resy lahatra fa “ho loza hian’ny vahoaka Malagasy ny mbola hitohizan’ny fangejana ataon’ny jadona Ravalomanana”.
Tsy nafen’ny Pr Zafy Albert koa omaly ny ahiahin’ny olona sasany nampita ny valin’ny antso avy any amin’ny faritra any. Aiahy izay milaza hoe “sao dia voavidin-dRavalomanana ianareo ka mangina ?”. Inona no tena tanjonao Prezida Zafy, mbola manan-kevitra hiverina eo amin’ny fitondrana ve ianao ? sy ny sisa.
Novalian’ny Pr Zafy izany omaly ka nambarany fa “efa nisy ahy avokoa ny ambaratongam-pitantanana sy ny rafi-panjakana ambony tamin’ny ankapobehiny, nanomboka tamin’ny naha-ministra ahy faha-Governemanta Ramanantsoa, naha-Praiminisitra “andalabe” ahy tamin’ny 1991, ny naha-Filoha ny fahefana avom-panjakana “HAE” ahy (1991-92), ny naha-Filohampirenena lany ara-pomba tena demokratika ahy (1992-96), ny naha-Depiote ahy (1998-2002), ny maha-manan-pahaizana ambony ahy amin’ny lafiny fitsabona (Professeur en medicine), sy ny sisa.
“Ny hany dingana tsy mbola nahafapo ka tsy maintsy tohizako mandrapahafatiko dia ny ady amin’ny jadona sy ny fanitsakitsahana ny demokrasia”, hoy izy.
Telonohorefy, Zoma 6 Jona 2008
Pour ouvrir le document dans une nouvelle fenêtre, veuillez cliquer sur l'icône située après celle représentant une imprimante.
On s'en fout! Ecrit par Sokitra , 31 juillet, 2008
Je suis du Nord, du sud, de l'Est et de l'Ouest de Madagascar, pauvre nase. Midi Madagascar est raciste. On s'en fout si Zafy avait été empeché, c'est mieux que de s'autoproclamer et de brader la patrie. Voilà vos conneries qui croient que seuls les gens du Nord (tiens je ne savais pas que cela existe! Nord, sud, est, ouest) soutiennent le départ du voleur, et dictateur Ravalo.
On s'en fou si vous en avez marre! d'ailleurs je me marre. HAHAHAHAHAH, mais la gouvernance des racistes comme Midi madagascar and co aura une fin.
Pour Sokitra: Qui tu qualifies de raciste?Mr Mamy RAkotoarivelo?je pense que les racistes sont surtout les gens issus du nord de madagascar,entre autres Zafy Albert et consorts, dont toi je pense, tu en fais partie. A son age, il veut encore accéder au pouvoir, en reniant le régime actuel alors que lui-même avait été déjà EMPECHE lorsqu'il était au pouvoir... Conclusion: Ils sont trop nuls. Un autre gouvernement transitoire dirigé par un chirurgien et des vétérinaires?même pas en rêve. Un conseil pour zafy et ses troupes: proposez quelquechose de plus convaincant, on en a vraiment marre de vous et de vos politiques qui n'avancent à rien...
Bien sur que Midi Madagascar joue le grand écart car s'il a pu exister jusqu'à maintenant c'est parce qu'il a su manger dans tous les râteliers. Et il sait qu'avec la fin de drègne de rat8, on ne lui donne aucun cadeau. donc, il fait tout pour empêcher à ce que les zafy et consorts réussissent. N'oublions pas que ce Mamy est un député TIM.... ce qui veut tout dire.
En effet les pauvres, ils ne savent plus par quel bout prendre le CRN. La stratégie du Prof les rend dingues, casse leur codes habituels, les fait tourner en bourrique. Bientôt ils en suffoqueront de rage !
Pauvre Midi Madagascar, et encore vous n'avez rien vu !!! La relève est là pour vous en faire voir de toutes les couleurs.
Un peu de patience, c'est tout ce qu'on vous demande ...
rapporter un abus
voter contre
voter pour
Votes: +0
Pathétique midi madagascar Ecrit par sokitra , 09 juin, 2008
ha ha ha ha! Midi Madagascar espère à ce que ZAFY et Rakotovahiny se dispute. Je ne m'attendais pas à ce que les médias racistes comme Midi Madagascar puisse paniquer autant quitte à éspèrer une mésentenet entre zafy et Rakotovahiny. Un Conseil à Mamy rakotoarivelo, propriétaire de Midi madagascar: Ne prenez pas votre rêve pour des réalités car sinon, il faudrait attendre que les poules auront des dents pour que votre rêve se réalise. Pauvre mec!
L’heure est venue de proposer une base de réflexion commune à l’attention de l’ensemble des partis de l’opposition malgache. Nous livrons à l’opinion publique un Projet de société permettant enfin d’avancer vers une société plus juste, plus solidaire et plus soucieuse du développement économique et social de Madagascar.
Pour contrecarrer l’obscurantisme érigé en modèle de gouvernance par le régime de Marc Ravalomanana, nous nous devons d’informer nos concitoyens, sur les multiples dangers auxquels les dirigeants actuels et leurs partisans zélés exposent Madagascar et sa population.
ZAFY Albert, Président d’honneur du CRN (Comité de Réconciliation Nationale) interpelle vigoureusement Marc Ravalomanana dans une déclaration qui lui est personnellement adressé.
ZAFY Albert, Président d’honneur du CRN (Comité de Réconciliation Nationale) interpelle vigoureusement Marc Ravalomanana dans une déclaration qui lui est personnellement adressé. Tous les thèmes de la gouvernance piteuse de celui qui se prétendait être le « messie incarné » y sont abordés, et plus encore …. [Ecouter et consulter la transcription]