| FANAMBARANA NY HEVITRA FOTOTRA POLITIKA IOMBONAN'NY MPANOHITRA |
|
|
|
| Écrit par La Rédaction | |
| 21-08-2007 | |
|
Ho fanamafisana ny fanambarana natao tamin’ny mpanao gazety ny Alarobia voalohan’ny volana aogositra farany teo, ny amin’ny fijoroan’ny Firaisankinan’ny Mpanohitra, Ny Hery politika mivondrona ao amin’ny Firaisankinan’ny Mpanohitra, saropiaro amin’ny tanindrazana iombonana, dia manao izao fanambarana izao, ho an’ny vahoaka Malagasy tsy vakivolo, sy ny fianakaviambe iraisampirenena : 1- Fampatsiahivana ny fenitra ankapobeny iainan’ny firenena. Zava-dehibe hoan’ny Firaisankinan’ny Mpanohitra ny fitandrovana ny soatoavina malagasy miorina amin’ny fihavanana, ny fifanajana, ny rariny sy ny hitsiny, ary ny fifandeferana ;
2- Fanamelohana ny jadona ataon’ny fitondran’Ingahy Marc Ravalomanana. Fitondrana jadona no ampanjakain’ny fitondran’Ingahy Marc Ravalomanana eto Madagasikara ankehitriny. Mijoro ny Firaisankinan’ny Mpanohitra hiady amin’izany jadona izany. Ny tanjona dia ny hanarenana ny raharaham-bahoaka sy ny raharaham-pirenena hanaraka ny fenitra demokratika sy repoblikanina misy eran-tany, ary ny hamerenana ny firenena Malagasy eo amin’ny toerana mendrika, eo anivon’izao tontolo izao.
3- Momba ny fifidianana solombava-mbahoaka notapahin’ny fitondrampanjakana fa hatao amin’ny 23 septambra 2007 Sady tsy ara-dalàna no tsy ara-drariny io fifidianana io; na izany aza anefa ny firaisankinan’ny Manohitra dia nanapakevitra ny hanohana kandida amin’ny fifidianana solombava-mbahoaka hatao amin’ny faha 23 septembra 2007 izao ; ny firaisankinan’ny Mpanohitra dia hiezaka hanolotra kandida tokana isaky ny faripifidianana tsirairay. Izany no endrika voalohany iarahana amin’ny vahoaka hanantanteraka ny ady amin’ny jadona, ka hatao ho vaindoha-ndraharah ny fiarovana ny safidi-mbahoaka.
4- Rafitra sy fomba fiasan’ny Firaisankinan’ny Mpanohitra. Ny Firaisankinan’ny Mpanohitra dia hanangana « Komity Mpandrindra Nasionaly» eto andrenivohitra, handamina sy handrindra ny tolona. « Direction Collégiale » no mitantana io « Komity Mpandrindra Nasionaly » io.
5- Antso ataon’ny Firaisankinan’ny Mpanohitra. Mankasitraka sy mankatelina ireo rehetra izay efa nanohitra ny jadona misy eto amin’ny firenena ny Firaisankinan’ny Mpanohitra. Manainga ny Hery politika tsy misy ankanavaka, na ireo izay efa niara nikaon-doha, na ny hafa rehetra, ny fiarahamonimpirenena, ny hery velona rehetra isan-tsokajiny izy : - Hanao sonia sy hanaja ity HEVITRA FOTOTRA POLITIKA iombonan’ny Mpanohitra ity, mba ho Dina hifanaovana sy teny ierana amin’ny Vahoaka Malagasy ;
Satria “ Masina Ny Tanindrazana ”!
Natao teto Antananarivo, ny faha 18 Aogositra 2007 Bookmark
Email This
Hits: 1171 Commentaires
(0)
|
| < Précédent |
|---|
Articles édifiants et instructifs sur la face cachée de la "Haute Autorité de la Transition" : Ses conseillers occultes, l'idéologie qui anime le "clan" au pouvoir, manipulations et intimidations, déni de justice... A voir et à lire sur "LE JOURNAL LE DEMOCRATE".

| Madagascar : Feuille de route finale et définitive pour... Posté par : essay writing |
| RACISME, FIHAVANANA et PAUVRETE Posté par : val |
| Roland Ratsiraka, Norbert Ratsirahonana : Même combat ! Posté par : china wholesale |
| Portfolio : Pierrot Rajaoanarivelo élargit les bases du... Posté par : australe |
| Gazety MALAZA : Extrait Posté par : Rodin |
| Gazety MALAZA : Extrait Posté par : Rodin |
| Référendum constitutionnel : Le MDM demande le report d... Posté par : leroa |
| MAP : Stade suprême de la médiocratie Posté par : Rado |
| Pierrot Rajaonarivelo invité à la célébration du FISEHA... Posté par : Jarifa de mahajanga |
| Pierrot Rajaonarivelo invité à la célébration du FISEHA... Posté par : Bcount |
