Fotoana ihany sisa ! Raha arak’izao fivoaran’ny toe-draharaha politika ao Madagasikara ao, dia azo atao tsara ny milaza dieny izao fa andalam-piongànana ny fitodrana jadon’ingahy Ravalomanana. Tsy ilàna mpaminany izy io, tsy ilàna mpisikidy ihany koa satria hita mibaribary fa tena naloan’ny vahoaka malagasy tsy vaky volo izao fitondràna mijoro amin’ny herin’ny famoretana, ramatahora sy ny fanavakavahana eo amin’ny samy malagasy izao izay tarihin’ingahy Ravalomanana.
Efa tsy laitran’ny vahoaka intsony ny antsonjay izay mihatra aminy noho ny nanaovan’ny Ravalomanana azy. Lafo varoboba ny Tanindrazana amin’ireo mpamatsy vola vahiny izay mihevitra fa mbola firenena feno andevo ny firenena mahantra tahaka an’i Madagasikara ka tsy mikoso maso mandroba izay harena azony robaina ao, izy ireo. Mazava ho azy fa tsy nisy izao fandrobana ny harem-pirenena izao na koa tsy sahy nanandevo ny vahoaka malagasy ireo vahiny ireto raha tsy nisy, tao ny mpitondra izay miray tsikombakomba amin-dry zareo.
Potehin-dRavalomanana amin’ny tetik’asa mamoafady ny Tanindrazana
Io ary fa ilay « raharaha Daewoo » nivarotan’ingahy Ravalomanana ny 1,3 tapitrisa ha amin’ny ampahan’ny tanindrazan’ny Malagasy, izany hoe tany izay misy mpamboly, mpiompy ary mpanjono malagasy miisa 1 tapitrisa mahery, dia niteraka hatezeran’ny vahoaka malagasy eran’izao tontolo izao. Raha raisina mantsy ireo tetik’asa rehetra mikasika ny fivarotana tanindrazana nataon’ingahy Ravalomanana amin’ny vahiny, izany hoe tetik’asa nanilihana malagasy an-tapitrisany maro amin’ny asany, ary indrindra indrindra hanakànana sahady ny fahafahan’ny zanak’ireo tantsaha noroahina tamin’ny taniny ireo tsy hanan-tany intsony ao anatin’ny 99 taona (izay fe-potoana nanomezana an’i Daewoo ireo tany ireo), dia ho fongatra tanteraka i Madagasikara.

Eo koa ireo tetik’asa manondrana rano avy ao Mananara alefa any Arabia saodita, izay manapotika tanteraka ny fari-piainan’ny vahoaka ao amin’io faritra io satria ny « rano » no ahafahan’izy ireo mampiroborobo ny fambolena, ny jono, ny fiompiana sy ny sisa, kanefa izany ny fototr’asa hiveloman’ireo vahoaka amanetsiny ao amin’ireo faritra ireo. Ny hamotika ireo loharano hiveloman’ny vahoaka ireo izany no tetik’asan’ingahy Ravalomanana.
Tsy adino koa ny tetik’asa hitrandrahana solika any amin’ny faritra atsimo andrefana any, izay nahafaty ny trondro vaventy maro tany amin’ny faritry antsohihy iny, ohatra, na koa izay hamotika tanteraka indray koa ny tany izay foto-piveloman’nireo tantsaha monina amin’ireny faritra atsimo andrefana ireny. Io fomba fitrandrahana solika io izay lazaina amin’ny teny vahiny hoe : « sable bitumineux », na vongam-pasika, dia mamotika tanteraka ny tontolo iainana sy ny rivotra hiainan’ny olom-belona no sady mandany rano betsaka mihitsy.
Tsy mandraharaha an’izany anefa ny mpitondra fanjakana izay noheverina fa natao hiaro ny tombotsoan’ny vahoaka malagasy.
Ny fitrandrahana ny poizina « uranium » any amin’ny faritra atsimo, Beraketa, moa dia efa tsy lazaina intsony ny amin’ny loza mety haterany amin’ireo zaza, vehivavy bevohoka, na olon-tsotra raha eo amin’ny fahasalamana no jerena. Fantantsika tsara ny niseho tany rosia tamin’ny taona 90 raha nipaoka ny toby fitrandrahana nokleray tao Tchernobyl, izay niteraka lozan’aretina mahatsiravina : zaza sampona, aretina omamiadana isan-karazany sy ny sisa. Ary io poizina azo avy amin’ny « uranium » io dia tsy lefy raha tsy taona amanetsiny aty aoriana. Ny tena loza dia ny fitondram-panjakana malagasy dia tsy manana fitaovana avo lenta sahala any amin’ny tanan-dehibe matanjaka mihitsy ka ahafahany hanara maso an’io fitrandrahana io.
Maro dia maro ny tetik’asa tahak’izany, izay mamono vahoaka malagasy ary hamotika tanteraka ny tontolo iainana no sady mandrava ny tanin’ny tantsaha malagasy hanaovana fitrandrahana poizina ahafaty an’i Madagasikara sy ny mponina ao aminy.
Najoron-dRavalomanana ny jadona
Mba tsy ahafahan’ny vahoaka manohitra ireny teti-dratsy ataon’ny mpitondra ireny dia najoron’ity fitondrana ity ny « ramatahora ». Nataony foto-pitondran-tena ny fanompàna ny malagasy. Nataony fitsipim-pitondrana ny jadona sy ny famoretana. Nataony vaindohan-draharaha ny fanitsakitsahana ny lalàna fototra mifehy ny repoblika. Nataony tanjona ny hamono, amin’ny fomba rehetra, ny vahoaka mba hiadànany sy hampiroborobony ny orin’asany, TIKO, izany.
Gadra politika no mameno ny fonjan’ny madagasikara. Tsy lazaina intsony ireo izay nanao sesi-tany ny tenany mba hitandroana ny ainy izay tadiavin’ny fitondra-ndRavalomanana ho vonoina mihitsy. Ny olom-boafidy izay tsy mpikambana ao amin’ny antoko izay noforoniny dia ampihariny antsonjay, potehiny ary tadiaviny ho gadraina hatrany. Efa lasa any am-ponja ny solombavam-bahoaka Voninahitra Jean eugène, ny ben’ny tanànan’ny Fianarantsoa, Pety, avy nogadraina koa ny ben’ny tanànan’ny Toamasina, Rolland Ratsiraka sy ny sisa.
Raha nifidy an’ingahy Andry RAJOELINA ho ben’ny tanànan’ny Antananarivo, ny vahoakan’Iarivo tamin’ny 12 desambra 2007, dia antsonjay amin’ny ben’ny tanànana vaovao sy fanapotehana an’Antananarivo no tetik’asa naroson’ingahy Ravalomanana: Nesorina amin’Antananarivo ny maha renivohitry Madagasaikara azy ka nomena an’Ivato, nahena ny fahefan’ningahy ben’ny tanàna, nosakanana ny tetik’asa mpampandrosoana tiany natao; notadiavina nogadrainy izy; nahidy ny televiziona VIVA izay an’io ben’ny Tanàna io ihany, sy ny sisa…
Tsy manaiky intsony ny vahoaka ka sahy mijoro hanohitra
Soa ihany fa tsy nanaiky nolembenana intsony ity ben’ny tanàna ity. Ny fahafahany mifehy ny renivohitry Madagasikara, Antananarivo, no nanànany hery hamaly izay antsonjay rehetra ataon’ny fitondran-dRavalomanana aminy, ka sahy izy, miaraka amin’ny ankolafin-kery politika rehetra, notovonan’ireo “société civile” sy izay vahoaka tsotra hiaran’ny jadon-dRavalomanana koa, nitsangana ary nijoro hanohitra ity jadona ity. Napetraka àry ny toeran’ny demokrasia teo ambohijatovo, tamin’ny asabotsy 17 janoary 2009 mba ahafahan’ny vahoaka Malagasy maneho ny heviny mikasika ny raharaha politika satria hatramin’izao dia tapitre notapenam-bava daholo ireo izay tsy mitovy hevitra amin’ny fitondràna. Tsy misy mahazo miteny eny amin’ny radiom-pirenena sy ny televizionam-pirenena fa dongoin’ireo mpanohana an-jambany an’ity filoha mpanao jadona Ravalomanana ity.
Taitra ary ny vahoaka Malagasy ka niaraka nanambatra ny heriny hanohitra ny fitondràna jadona sy hiaro ny demokrasia ary hanakana ny fanaovana varoboba ny tanindrazana amin’ireo vahiny izay mitady hangoron-karena eo an-damosin’ny vahoaka Malagasy.
“Roso ity ka tsa mimpody intsony”, izay no venti-kabarin’ireo vahoaka tarihin’ny antoko politika sy olon’ny “société civile” maro be, izay miaraka amin’ny olom-boafidy, Andry Rajoelina, ben’ny tanànan’Antananarivo. Maro ny setrasetra sy ramatahora nataon’ny fitondràna mba tsy ahafahan’ny vahoaka maneho ny heviny: nopotehina ny fitaovan’ny TV VIVA, norahonana ireo izay mitady handeha etsy ambohijatovo amin’ny 24 janoary ho avy izao hanatevin-daharana ny hetsi-bahoaka; mbola notazomina ihany ireo ministra nanao varo-boba ny tanindrazana sy nividy raopilanina mitentina 60 millions de dollars azo tamin’ny herintsandrin’ny vahoaka. Raopilanina atao fitaovana hijejojejoan’ny filoham-pirenena eran’izao tontolo izao.
Tsy rariny loatra ny mahita an’ingahy Ravalomanana mandany volam-bahoaka mitentina 60 millions de dollars kanefa ny 80% isan-jaton’ny vahoaka dia mitrongy vao homana, ny karaman’ny mpiasa zara raha ahafahana mividy hena kilao iray sy ny sisa. Mandritra izany dia hendrikendrika sy fijejojejoana no mahamaika ny mpitondra.
Mila haongana Ravalomanana izay vao avotra ny Tanindrazana
Noho ireo “fiompiana” sy “fanompàna” ny vahoaka Malagasy taon’ny fitondràna izao dia tsy manaiky lembenana intsony ny vahoaka ka tonga saina fa “hanongana an’ity fitondràna” ity no hany vaha olana.
Rariny raha io “fanongànana” an’ity fitondràna ity no hany vaha olana farany hita sy azo raisina hanavotana an’I Madagasikara satria raha mbola mitoetra ny fitondràna jadon-dRavalomanana dia mbola hitoetra daholo ireo tetik’asa mamoafady izay voalaza etsy ambony iretsy ary ny fisian’ny Madagasikara amin’ny maha firenena sym aha tanindrazana azy no ho potika.
Tetik’asa handevenana an’I Madagasikara mba ahafahan’ny mpitondra hi-engitraingitra ao anatin’ny fijejojejoana io tetik’asan-dRavalomanana io.
Na ireo Malagasy any andilam-bato antsoina hoe “diaspora” aza dia nitsangana koa manohitra izao fanapotehana sy fandevenana an’I Madagasikara izao. Efa in-droa miantoana izao izy ireo nanao fihetsiketsehana eo anoloan’ny masoivoho Malagasy any Frantsa, ary maro dia maro no tonga nanotrina an’izany fihetsiketsehana izany. Tsy hijanona mihitsy izany fihetsiketsehana izany raha tsy miongana amin’ny fitondràna izao fanetriben’ny tany, Ravalomanana, izao. Ireto “Diaspora” mantsy no nahatsikaritra ny teti-dratsin-dRavalomanana raha nanao varoboba ny tanindrazana tamin’ny Daewoo ny fitondràna Malagasy.
Sambany izany izao no miara dia tanteraka ny Malagasy eran’izao tontolo izao manohitra ny jadon-dRavalomanana ka mitaky avy hatrany ny “fanonganana an’ity fitondrana” mivarotra tanindrazana ity.
Tsy ho ela dia ho fongana ity fitondrana ity satria raha araky ny ohabolana Malagasy izay dia hoe: “Aleo halan’Andriana toy izay halam-bahoaka”. Ka raha ny vahoaka no mitroatra sahala amin’izao fotoana izao dia isaina sisa ny andro hijanonan’ny fitondran-dRavalomanana eo amin’ny toerany. Tsy misy mpanohana intsony ny fitondran-dRavalomanana.
Maro ny mpandalina politika milaza fa hiverina indray ny 2002. Ary efa miomana amin’izany ny herim-pamoretan’ingahy Ravalomanana satria raha mampiasa hery ny vahoaka dia tifitra sy bala tafondro no aroson’ny fitondràna ary hogadrainy ny mpitari-tolona rehetra.
Saingy mety tsy izany anefa ny zavatra hiseho satria mibaribary fa tsy mitovy amin’ny herin’ny mpitondra teo aloha izay noravan’ny herim-bahoaka ny fitondran’ingahy Ravalomanana. Raha raisina ohatra ny fitondran’ingahy Ratsiraka dia na dia nikorotana aza ny tao an-drenivohitra dia mbola nanana mpanohana mazana be izy tany anindran-tany ka nahafahany namely sy nanohitra ny herin’ireo vahoaka nanohitra azy. Fa ity fitondran-dRavalomanana kosa dia mazava fa tsy misy hery miaro mihitsy raha any anindran-tany any satria ny “fanavakavahana” no nametrahany ny fitondràny. Niankina tamin’ny herin’ny zanak’Imerina izy ary tsy nihambahamba nanambany sy nanilika ireo Malagasy avy any anindran-tany.
Rehefa potika ny vahoaka anin-dran-tany satria nogadrainy daholo ireo “elita” tany amin’ireny faritra ireny dia nanapa-kevitra izy hamono ny zanany ka ny hamotika an’Iarivo no nataony tanjona. Amin’izao fotoana izao anefa dia niray hina ny samy Malagasy avy amin’ny lafy valon’ny nosy satria samy mahatsapa fa ny Tanindrazana iombonana no ity viravirain’ny Ravalomanana ity ka mila hiarovana.
Nanao dina ny Malagasy rehetra, na avy any anindran-tany na avy ao afovoan-tany omaly (ireo tangalamena izay nivory niaraka tamin’ny hery manosika an’ingahy ben’ny tananan’Antananarivo, Andry TGV) fa tsy maintsy haongana ny fanetry ben’ny tany, Ravalomanana. Ho rava ho azy ity fitondrana ity satria tsy misy mpanohana intsony ankoatr’ireo izay miaro ny sezany sy mifikitra amin’ireto halatra nataony tao anatin’ny 7 taona izay. Tsy ho voatery ho hisy rà mandriaka sahala amin’izay nisy hatr’izay ity fihetsem-bahoaka indray mitoraka ity satria tena “latsa-tokana” ingahy Ravalomanana. Irery izy!
Efa nolazain’ingahy filoha Zafy Albert anefa ingahy Ravalomanana fa hoe: Hitoetra irery izy satria nanili-tena samy irery. Ireto sarintsarin’olomboafidy izay manao tsangantanana fotsiny ihany ireto dia tsy hiaro azy mihitsy raha haongan’ny vahoaka eo izy.
Efa nilaza ombieny ombieny koa ny ben’ny tananan’Antananarivo, fa tsy anjaran’ny miaramila sy ny tafika ny mamoritra sy mamono vahoaka. Tonga teny ampoto-tsofin’ny tompon’andraikitra tsirairay an’ny tafika sy ny miaramila isan-tsokajiny moa izany ka dia maro ny efa mametra sahady fa ho henjana sy mafy ny sazy hihatra amin’ireo miaramila, zandary na polisy mitady hamono vahoaka amin’izao fihetsiketseham-bahoaka mitady ny hanongànana an’ingahy Ravalomanana izao.
Efa naneno ny anjomaran’ny fanongànana an-dRavalomanana ka aoka isika sahy hijoro
Araho tsara ny vaovao fa efa naneno ny feon’ny anjomara hanongànana ny fitondràna jadon-dRavalomanana. Ary efa sahy mijoro ny vahoaka hanantanteraka izany hetsika entina hanavotana ny firenena izany.
Fotoana izao handraisan’ny tsirairay ny adidy masina hoan’ny tanindrazana. Ndao hijoro hiaraka amin’ny vahoaka Malagasy hanohitra ny jadona sy ny fanaovana varoboba ny tanindrazana amin’ny be vola vahiny.
Mijoroa àry! Mahasahia miaro ny tanindrazana! Fa Masina ity tanintsika ity. La Rédaction
|